FIOMPIANA BITRO

Asa mahavelona tsara


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

Asa iray anisan'ny tena mahavelona tsara ny asa fiompiana bitro

eto amintsika raha hilofosana tsara. Mety hahatratra hatrany amin'ny 8 kg mantsy ny bitro iray amin'ireo karazany tsara rehefa tena lehibe, mahasolo hen'omby malemy sy matsiro raha hatao laoka. Efa mahatratra 5.000 Ar rahateo ny iray plat aminy raha misakafo any amin'ny hotely. Nivondrona nampahafantarana izany ireo mpiompy bitro eto Antananarivo sy avy any amin'ny faritra,ka nikarakara Salon mifandraika amin'izany tetsy amin'ny zaridainan' Antaninarenina.Ny faran'ny herinandro teo no nanaovana izany ka Atoa Faniry filohan'ny Ferme Acacias no nitarika ny hetsika izay manana tanjona hanohy izany isan-taona. Nambarany fa efa tena betsaka ny filana ato anatiny sy ny any ivelany,manjifa ny henana bitro ka tokony hotrandrahana.Betsaka ireo liana tamin'ity hetsika ity izay marihina fa niaraka tamin'ny toro-lalana mikasika ny fomba fikarakarana ny bitro sy ny sakafony. Toraka izany koa ireo karazana fiitaovana ilaina amin'ny fiompiana.
Nangonin'i Pati
Légende : Efa betsaka ireo olona liana amin'ny fiompiana bitro eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT