Sosialy

Fiompiana akoho manara-penitra Hampianarina maimaimpoana etsy Mahamasina


  • Zoma 17 Mey 2019

Betsaka ireo olona miezaka mitady lalam-bola hafa ankehitriny mba hanatsarana ny fidiram-bola ao an-tokantranony.

 

 Mbola sakana goavana anefa ny hoenti-manana hahafahana miatrika fiofanana kely toy ny fiompiana kisoa matavy, ny akoho manara-penitra… Hampianarina maimaimpoana etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny mahakasika ity farany  manomboka ny alarobia 22 mey ho avy izao. Haharitra dimy andro izany, ao anatin’ilay hetsika la grande braderie de Madagascar, karakarain’ny Madavision. Araka ny tafa fohy nifanaovan-dRamanantsoa Harilala,  vy nahitana ity hetsika ity dia hisy ihany koa ny fampianarana ny renim-pianakaviana momba ny fahandroana akoho amin’ny lafiny rehetra na hatao rony na ritra na hatono… Hisy mihitsy ireo matihanina ho avy hampianatra, hatramin’ny atody. Tranoheva manodidina ny 230 moa  no handray anjara. Ankoatra ireo entana sy kojakoja efa nahafantarana ny la grande braderie de Madagascar hatramin’izay dia  ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ireo fanomezana azo hatolotra ho an’i Neny amin’ny datin’ny 26 mey ho avy izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT