Sosialy

Fiomanana amin’ny fahavaratra Sokirina ny lakandrano ao Ambatondrazaka


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Natomboka ny sabotsy teo ny fisavàna lakandrano mba ialàna amin'ny fiakaran'ny

 

 

rano mialoha izao fotoam-pahavaratra izao, indrindra ho an’ireo mipetraka ety amin'ny faritra iva ao Ambatondrazaka renivohitra. Teo amin'ny Vasta taloha no nanombohana izany, ary hitohy any amin'ireo toerana maro samihafa misy lakandrano tsentsina tsy maintsy ho savaina. Nanentana hatrany ireo olona manodidina mba hifanabe sy hifampitaiza tsy hanary fako ao anaty lakandrano ny ben’ny tanàna. Efa natao ny fandaminana amin'ny ora tokony hanariana fako amin'ny toerana napetraka ho fanariana izany. Isika rehetra no samy handray andraikitra sy ho sarotiny amin'ny fitandroana ny fahadiovana sy filaminan'ny tanànantsika. Ambatondrazaka tananantsika madio sy mandroso no tanjona, hoy ny fanentanana sy ny fanamby.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT