Sosialy

Fiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy Tany Ambatolampy indray ny CNaPS – SASS


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Notohizana tany Ambatolampy ny fiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy.

 

 

 

Tanjona ny hahatonga ny mpiasa rehetra ho mpikambana ao amin’ny CNaPS ka hahazo ny tandrifiny mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Mpampiasa 26 sy mpiasa 60 mianadahy avy amin’ny

sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana manerana ireo kaominina 19 ao amin’ny Distrikan’Ambatolampy 70 km atsimon’ny renivohitra no nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS izay notarihin’ny lehiben’ny sampandraharaha SASS (na Service d’Actions Sanitaires et Sociales)

Emilson Randrianarijaona nandritra ny telo andro tao amin’ny efitrano malalaky ny Les Frères du Sacre Cœur Ambatolampy. Niompana manontolo amin’ny fanampiana ny mpiasa hiatrehany ny sedra-piainana (an-kasoavana, an-karatsiana, indrindra ny fahaterana) ny fanazavana ny pitsopitsony tsy maintsy arahina ahazoana ny vola fanampiana omen’ny Tahirim-pirenena momba ny Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa. Nambaran’ny lehiben’ny masoivohon’ny CNaPS vonjimaika ao Vakinankaratra Ramatoa Rindra Rajaonarivelo Niriana tamin’ny anjara fampianarana nentiny fa « ain’ny firenena ny fiahiana ara-tsosialy » ka adidin’ny CNaPS ny mitaona ny mpiasa sy ny mpampiasa ho mpikambana ao aminy.  Ny fifampitsinjovana omen’ny CNaPS dia miantefa mivantana amin’ny fanampiana ny vady aman-janaky ny mpiasa (volan’ny bevohoka, volan’ny tera-bao, volan’ny mpitaiza kely, volan-jaza ary fitsaboana azy ireo raha marary). Ny fandraisana an-tanana ny saram-pitsaboana raha marary ny mpiasa na tratry ny loza eo am-perinasa ary ny fisotroan-dronono rahatrizay antitra ilay mpiasa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT