Sosialy

Findramam-bola amin’ny banky Tena mampazoto ny olona rehefa fidiran’ny mpianatra


  • Alarobia 29 Aogositra 2018

Vanim-potoana iray tena mampazoto ny olona hindram-bola ny ankatoky ny fidiran’ny mpianatra tahaka izao.

Noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano no anisan’ny antony. Tamin’ny taon-dasa, ohatra, dia nahatratra 10.000 isa ireo olona niroso tamin’ny findramam-bola hampidirana mpianatra ho an’ny banky BNI Madagascar. Mbola hitohy amin’ity taom-pianarana 2018-2019 vaovao ity, raha araka ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Afaka mahazo ity tolotra ity avokoa na mpiasam-panjakana na mpiasa tsotra saingy efa mpiasa raikitra kosa. 200.000 Ar hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ny vola azo indramina, averina ao anatin’ny telo ka hatramin’ny folo volana. Tanjon’ity banky iray ity moa ny hanampiana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, indrindra ireo manan-janaka maro ialana amin’ireo sakana tsy hahafahan’ny zaza Malagasy miditra an-tsekoly.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT