Filohan’ny SECES sy Randrana sendikaly

Nihaona tamin’ny firenena mikambana


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Nihaona tamin’ny firenena mikambana tetsy amin’ny foiben’ny firenena

mikambana etsy Andraharo ny filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na SECES Antananarivo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, sy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga, omaly. Niompana tamin’ny fiainana ara-tsendikaly eto Madagasikara taorian’ireny zava-nitranga tamin’izy mirahalahy ireto ireny ny lahadinika, raha ny angom-baovao natao, amin’ny maha mpikamban’ny rafitry ny firenena mikambana misahana ny asa an’i Madagasikara. Tsiahivina fa nisy ny taratasy nalefan’ireto sendika ireo niantefa tany amin’ny foibe iraisampirenena momba ny asa any Genève, Suisse, taorian’ireny raharaha naha voakasika ireto sendikalista mirahalahy teto Madagasikara ireto. Araka izany dia efa voatatitra any ny momba ny tranga teto Madagasikara izay mbola maha voasaringotra azy mirahalahy ireto ka nahazoan’ny filohan’ny SECES fanaraha-mason’ny fitsarana ary fahafahana vonjimaika kosa ho an’ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly. Ny 12 desambra izao moa no ho tsaraina ny raharaha mahakasika azy mirahalahy ireto.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT