Sosialy

Filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy Nankasitraka ny fihetsik’i Marc Ravalomanana


  • Zoma 11 Janoary 2019

Naneho ny heviny mikasika ny zava-nisy teto amin’ny firenena ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy omaly.

 

 

 

 

Anisan’ny tena nampihetsi-po azy raha araka ny fanazavany ny fihetsiky ny kandida Marc Ravalomanana nandritra ny famoahana ny voka-pifidianana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny talata lasa teo izay nomarihiny manokana fa tena feno fanetren-tena tokoa sady mariky ny fanomezan-danja ny fihavanana Malagasy. Fihetsika tahaka ireny no tsy ampy teto amintsika hatramin’ny fotoana nahazoana ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960  ka tokony hianaran’ny mpitondra rehetra. Ankoatra izay dia nanambara Rafanomezantsoa Jean Nirina fa miandrandra fampandrosoana tena izy amin’izay izy sy ny vahoaka Malagasy. Mino aho hoy izy fa tsy hisy filoham-pirenena hieritreritra hanao ratsy ny tanindrazany fa ireo manodidina azy matetika no tena ratsy. Inoako anefa fa olon’ny fanapahan-kevitra ny filoha vaovao ka hahay handray izany  araka ny tokony ho izy ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Farany izay tsy kely akory dia nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tokony hatsahatra manomboka eto ny fanenjehana olona fahatany, indrindra fa ny halako bika tsy tiako tarehy,   hahafahana mametraka ny tany tan-dalàna.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT