Sosialy

Filan’ny isan-tokantrano Tokony ho 500 000 ariary ny karama farany ambany


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Tena tsy ampy ny vola raisin’ny tokantrano iray. Na dia efa miasa aza ny mpivady, mbola lasa mitrosa hatrany.

 

 

 

Nambaran’ny raim- pianakaviana iray fa raha mpivady indray miasa ary manan-janaka roa, tsy ampy ny karama raisin’izy ireo. Raha samy mikarama 200.000 ariary avy izy mivady, dia hividianana vary iray gony, saribao iray gony, hofan-trano sy jiro sy rano ary ny saram-pianaran’ny ankizy, dia zara raha misakafo ny tokantrano iray. In-dray mandeha ao anatin’ny iray volana kosa vao mihinan-kena sy sakafo ara-dalàna. mihafy, satria tsy ampy ny karama, hoy izy. 800 000 Ariary dia ara-dalàna ny zavatra rehetra ao an-trano ary tsy misy ny sakafo ambany foitra, hoy hatrany izy. Tokony ho 500 000 ariary ihany koa ny karama farany ambany amin’izay miaina ny Malagasy, raha ny heviny hatrany. Tsy misy Malagasy tokony hahantra eto raha ny fananana ireo harena ankibon’ny tany no jerena. Ireo mpandraoka ny fako sy ny maloto ireny dia mila omena karama mahavelona sy ara-dalàna koa. Ireo sinoa sy teratany karana manome karama kely ireo dia mila alefa mody any aminy fa tsy hanambaka ny Malagasy eto, hoy hatrany ny fanazavana. Ny fanjakana no tokony handray andraikitra amin’izany. Raha ireo no tanteraka dia hiaina am-pilaminana ny Malagasy tsirairay isan-tokantrano, hoy ity rangahy ity.

Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT