Filankevitry ny tao Toliara

Voky fampanantenana, tsy afa-bela amin’ny fahantrana…


  • Alakamisy 15 Mey 2025

Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy

mampandroso ny fitondrana Rajoelina. Tao anatin’ny fanokafana ny filankevitry ny Minisitra mitety faritra tao Toliara omaly, sahin’i Andry Rajoelina no nilaza fa tsy ho ela dia ho hita ny fiovan’ity faritra ity, toy ny nilazana vao iray volana lasa angamba izay, fa tsy miandry faran’ny taom-piasana dia ho hita ny fandrosoan’i Madagasikara, kanefa am-polo taonany tsy hita izay vokany, fa fihemorana sy fahantrana no tsapa. Isan’ny ireharehan’ny Fanjakana mo ny fahavitan’ny tohadrano Kiambe, izay nambara fa sady mandravaka ny tanànan'i Toliara no miaro ny vahoaka amin'ny tondra-drano rehefa vanim-potoanan'ny fahavaratra. Nitosaka ny fampanantenana, ka nilazana fa tsy maintsy hovitaina afaka 2 taona ny lalam-pirenena faha-10, izay lalana goavana. Nambara fa efa hikatona tanteraka ny famatsiam-bola, ka ho any Ampanihy hanomboka ny asa i Andry Rajoelina. Hiainga ao Ampanihy, Beloha, hatrany Ambovombe, hitohy any Andranovory, Tongobory,… hatrany Ambovombe. Nolazaina fa vita ny RN13 Taolagnaro Amboasary Ambovombe, ka hotohizana satria efa nanaiky ny Banky Iraisam-pirenena ny famatsiam-bola 130 tapitrisa dolara,… Herenina ny 142km mampitohy an’Amboasary Atsimo sy Tsivory. Tao anatin’ny taom-piasana iray tsy nety vita manontolo ity lalana ity. Nampanantena hametraka parc solaire 5MW, ka 2,5MW ny dingana voalohany, amin’ny taona ho avy dia hofenoina 10MW. Eo ihany koa ny fampidirana herinaratra amin’ireo CSB II miisa 24, amin’ny alalan’ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, izay hanana tanjaka eo amin’ny 2100 hatramin’ny 3500W isaky ny CSB II mba ahafahan’izy ireo manohy ny asa fitsaboana, hoy ny mpitondra. Hatreto, ny fihetsiketsehana sy fampanantenana no betsaka, fa ny vokatra mbola tsy tena hita soritra sy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. Tsiahivina foana fa efa nisy ny PEM SUD tamin’ny 2021 nampanantenana zavatra zavon-tany fa hatreto mbola farahidiny hatrany ny faritra Atsimo, ary mbola ambana goavana ny fisintahan’ny rafitra mpanampy ara-tsosialy iraisam-pirenena toy ireo tetikasan’ny USAID mikasika ny fahasalamana, fanjarian-tsakafo, famatsian-drano,… Tsy manam-bahaolana mahomby hanentsenana ny fahabangan’ireny ny Fitondrana hatreto !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT