Sosialy

Filàna ara-bary Ny SPM no manafatra ny 33% ny vary ilain'i Madagasikara


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Manodidina ny 3 tapitrisa taonina isan-taona ny vary voatoto vokatra avy eto Madagasikara ary jifaina manerana ny Nosy. Mahatratra 450 000 taonina amin’ny filan’ny Malagasy izay tombanana ho 3,5 tapitrisa taonina

 isan-taona eo ny vary tsy maintsy hafarana. Vinaina ho 150 000 taonina amin’ireo 450 000 taonina izay tsy maintsy hafarana no hafaran’ny orinasa SPM amin’ity taona 2022 ity. Tsy manana ampihimamba amin’ny fanafarana vary ny orinasa State Procurement of Madagascar na SPM. Saingy noho ny fanafaran’ny SPM ny ampahatelon’ireo filàna dia manana « prix de référence » ka tsy ahafahan'ireo mpanafatra hafa manao ampihimamba ny vidim-bary indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny maitso ahitra izao. Noho ny fahampian’ny tahiry dia tsy dia maro intsony ireo alaim-panahy hijirika.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT