Sosialy

Filàna andavanandro Mbola ampy tsara ny tahirim-bary


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Nihoampampana ny vidin’entana teny an-tsena ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny vary izay tsy nisy afa-tsy stock sisa no azo novidiana teny amin’ny tsenan’Anosibe dia tafakatra

 

 

101.000 Ar ny iray gony tamin’ny vary makalioka sy ny vary gasy tany amin’ny toeran-kafa raha 90.000 Ar teo aloha. Ho an’ireo mpivarotra sasany teny Anosibe dia nisy tamin’izy ireo mihitsy no nanidy tsenany izay feno entana fa tsy nivarotra noho ny antony tsy fantatra. Tsy teny Anosibe irery ihany no nahitana ireo tranga ireo fa toerana maro ka rehefa nantsoina ilay laharana maitso fanaovana fitarainana 034 30 812 34 dia tsy nisy nandray izany. Tsy hita na tsy maharaka ihany koa ireo tompon’andraikitra nilaza fa hanara-maso izany fampiakaram-bidy sy fanararaotana na milaza aza ny Minisiteran’ny varotra, fa kaomiseran’ny varotra 50 no efa nohetsehina ny faran’ny herinandro teo, ka velon-taraiana ny olona. Raha ny fanambarana nataon’ny Talen’ny varotra anatiny eo anivon’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny varotra aza ny asa tànana Atoa Gilchrist Fanomezantsoa Rakotoson. Ampy antsika 4 volana ny tahiry ara-bary, ka tsy tokony hikorapaka ny vahoaka. Raha ny ao Toamasina, ohatra, dia misy 32 700 taonina, ny ao Toliara misy 27 580 taonina,… Efa mandeha ihany koa ny fanomanana amin’ny fanafarana vaovao. Tetsy ankilany, dia efa nisy ny fepetra noraisina tamin’ny fanasaziana ireo mpamongady sy mpivarotra manararaotra. Tranombarotra 5 no efa nakatona raha ho an’ny teto Antananarivo: 1 Anosibe, 4 Namontana, 1 ny kamio no nogiazana,… 

 

Voakasika toraka izany ihany koa ny fiakaram-bidin’ireo kojakoja voalaza fa mampiakatra hery fiarovana hahafahana miady amin’ny otrik’aretina coronavirus. Anisan’ireny ny voasarimakirana izay novidiana 200 Ar ny iray teo aloha nefa tafakatra 8.000 Ar ny iray kilao. Ny sakamalaho izay lasa 4.000 Ar ny iray kilao, ny tongolo gasy izay lasa 25.000 Ar ny iray kilao…. Nisy andiana lehilahy tazana nandroaka ireo karazana entana ireo mihitsy teny Anosibe ary nivarotra izany teny ivelany nanararaotra ireo olona marobe tonga nibosesika niantsena teny an-toerana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT