Sosialy

Filahiana nisy nanapaka Tsy misy atahorana ny ain’ilay tovolahy tompony


  • Alakamisy 09 Mey 2019

Taorian’ny fitsaboana vonjimaika natao tamin’ilay tovolahy iray 30 taona, mbola mpitovo, voatapaka filahiana tao Miadamanjaka Ampitatafika ny alatsinainy maraina teo dia efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Miarinarivo izy

 

 

hatramin’ny omaly ary salama soa aman-tsara, raha araka ny loharanom-baovao azo teo anivon’ny zandarimariam-pirenena.  Navotsotra ihany koa ireo olona roa mbola nahitana ra ny tanany ka  nijanonan’ilay alika mpitsongo dia ny mpitandro ny filaminana. Samy tsy nitana ireto olona roa ireto mantsy na ilay tovolahy lasibatra na ny  reniny izay mipetraka ao Imerintsiatosika. Efa kamboty ray kosa izy. Raha tsiahivina ny tantara, nandeha namangy ny rahavavin-dreniny tao Fenoarivo ity tovolahy iray ity ny alahady lasa teo. Niala tany an-toerana izy ny alatsinainy maraina tamin’ny 5 ora sy sasany ary nomena saran-dalana 1.000 Ar kinanjo niverina tampoka, ora roa taty aoriana efa nihoson-dra. Tsy mety miteny izay tena nahazo azy moa ity tovolahy ity hatramin’ny omaly na dia efa nanontaniana sy nohadihadiana aza. Mbola ao amin’ny zandarimariam-pirenena ao Fenoarivo kosa ilay filahiana hita teny an-tanety. Raha ny fanazavan’ny dokotera Sophie Rakotondratrema, tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-pitsaboana Fy Aina  Ambanidia, tsy mahafaty ny filahiana tapaka raha voavonjy ilay ra mandeha be iny. Tsy olana ihany koa ny mivalan-drano, hoy hatrany izy satria mijanona eo foana ilay lavaka mamoaka izany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT