Sosialy

Fikoropahana sa tsy fahaiza-miasa ? Diso daty ny fanjakana


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Asa na noho ny fikoropahana na tena fanaovana kitoatoa amin’ny asa fa dia diso daty indray ny fanambarana ofisialy navoakan’ny fitondram-panjakana izay niparitaka be omaly.

 

 

Fanambarana momba ny fepetra raisina mba hisorohana ny fidiran’ílay valan’aretina Coronavirus eto Madagasikara izy ity, fanambarana niombonan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’nyfitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro. ”Natao anio alatsinainy 03 janoary 2020”, hoy ny voasoratra any amin’ny faran’ilay taratasy  ofisialy ary dia manasonia eo ambany ny minisitra mirahalahy Ahmad Ahmad (fahasalamam-bahoaka) sy Joel Randriamandranto (fizahantany, fitaterana, famantarana ny toetr’andro). Voalohany aloha ny 3 janoary 2020 dia tsy andro alatsinainy fa zoma; faharoa tsy mbola minisitry ny fahasalamana Atoa Ahmad Ahmad tamin’ny 3 janoary satria ny 29 janoary 2020 vao notononina teny Iavoloha ireo mpikambana vaovao tao amin’ny governemanta. Fahatelo, fanambarana efa vita io avoaka an-taratasy io. Ny anio anefa dia filaza ho avy amin’ilay andro voatondro io. Ny tena marina izany dia ny hoe : “natao androany…”, fa diso ny hoe : “natao anio…”. Alatsinainy 3 febroary no daty tena marna mifandraika aminíty fanambarana ity. Nisy niesona izany ny mpanoratra ary ny lehibe koa tsy nanamarina.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT