FIKORONTANAN’NY FIARAHAMONINA

Mitombo ireo olona miloka sy miditra bara


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Tena mikorontana tanteraka ny fiaraha-monina ankehitriny. Tsy misy na inona na inona mandeha intsony fa samy

manao izay saim-pantany ny tsirairay na lahy na vavy izany. Vokatry ny tsy fananan’asa, ny tsy fisiana ao an-tokantrano, ny fahasahiranana amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra dia saika mamono eritreritra avokoa ny ankamaroan’ny olona. Mitombo isa ireo mpiloka isan-tanana. Mody mitsitokotoko izy ireo fa mahatratra 20 isa ny andiany iray raha kely. Miaraka ao avokoa na Renim-pianakaviana na raim-pianakaviana na zanaka na tanora….rehefa mahay milalao karatra, loto, course vitsika….ankoatra ireo miezaka mba hitsikian’ny vintana mametraka fanantenana any amin’ny fanaovana PMU….Misy vola mihitsy io loka mandeha isan-tanana io raha araka ny fanadihadiana natao. 200 Ar isan’olona izany raha kely raha misy mahatratra 2.000 Ar mihitsy ny an’ny sasany, sitrany ahay hono. Rehefa mba mahazo mantsy hoy ny Renim-pianakaviana iray dia mba vitan’izay ny sakafo atoandro no sady afa-bizanakely ny saina. Rehefa tsy mahazo kosa dia miala maina ary miharitra miaraka tsy mihinana ny iray trano ka ny amin’ny alina ihany no tsy maintsy hitadiavana vary soa iray kapoaka. Tsy misy hafa amin’io ny zava-mitranga eny amin’ny bara fisotroan-toaka eny. Olona voadonam-pitiavana sy reraky ny fiainana ihany koa ny ankamaroan’ireo tonga eny koa na dia 300 Ar aza no any am-paosiny dia mandalo izy mba maka fafiny kely. Io ilay hoe : tapaky ny dem….Ho an’ity farany manokana dia fantatra fa mahatratra hatrany amin’ny 50 isan’andro ny olona miditra bara ao anatin’ny indray andro. Tsy hanavahana fotoana io no sady mian-dahy miam-bavy mihitsy.
Pati
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT