Sosialy

FIKIRIZANA Antanetikely Ambohijoky Manao fiompiana sy fambolena manara-penitra “BIO”


  • Zoma 07 Septambra 2018

Nitsidika toeram-piompiana akoho gasy tantanin’ny fikambanana FIKIRIZANA teny Antanetikely Ambohijoky Antananarivo Atsimondrano ny vondrombavaka manerana ny Boriborintany enina, eo ambany fiahian’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

 

 

 Nitarika izao fitsidihana izao ny Dokotera Andriantseheno Prisca, tale misahana ny raharaha sosialy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny ekipa mpiara-miasa ao amin’ny CUA. Izao dia ho tohin’ny fiofanana momba ny fiompiana akoho natao tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely andro vitsy lasa izay. Araka izany, hatao fitaratra ny tetikasa mba hampirisihana ny olona hiditra amin’ny fiompiana sy fambolena manara-penitra “BIO” ary hampitomboana taranaka akoho eto Madagasikara. Dingana faharoa izao resaka fiompiana izao satria ny dingana voalohany izay niofanana dia mahakasika ny fambolena. Ankoatra izay, ny tetikasa Pro-Tanà no mampianatra sy mamehy ary manara-maso ny tetikasan’ny fikambanana FIKIRIZANA any amin’ny fokontany Andranofotsy, Antanetikely Ambohijoky. Ity farany dia nanaiky sy nandray ary nifanakalo hevitra tamin’ireo vondrombavaka, ka nanome ny traikefany tamin’izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT