Tratry ny fahasahiranana ny orinasa afakaba Future Textile Mada etsy Ankadimbahoaka ka nanakatona ny orinasa nanomboka ny alatsinainy lasa teo.
Araka ny fanazavana nataon’ny mpiasa dia noho ny filazan’ny mpampiasa fa niala avokoa ireo mpanjifany no antony. Nisy tamin’ireo mpiasa ihany koa anefa no nilaza fa fanaon’ity orinasa afaka haba ity taloha ny mampiditra mpiasa miasa vetivety, avy eo dia mandroaka ary milaza ho sahirana foana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia tena nikatona tanteraka ny orinasa ary gaga sy talanjona ny mpiasa satria tsy nanam-po izany raha mbola iny nandeha niasa tamin’ny alatsinainy teo iny. Taorin’izay dia nikoropaka ny mpiasa satria tsy mba nisy akory fampilazana sy fitenenana mialoha ary na ny karama nomena tamin’ny zoma aza 50 000 Ar fotsiny. Nanatona ny “Inspection de Travail “ tetsy Antsahavola ny mpiasa ary tonga tao ihany koa ny mpampiasa. Tapaka ary nifanao sonia tamin’izany fa tsy maintsy haloan’io orinasa io ny zoma izao ny ambin’ny karama volana jona sy ny kaontin’andro volana jolay. Hisy ihany koa ny fanomezana ny ambim-bola rehetra (STC) sy ny taratasy fanamarinan’asa ny alatsinainy ho avy izao. Tsy rariny amin’ny mpiasa amin’izao fotoan-tsarotra izao no anakatonana orinasa sady tsy mba misy fitenenana mialoha. Manambady aman-janaka ny ankamaroan’ireo olona ireo, misy ny manofa trano sy mampiana-janaka. Miandry ny tompon’andraikitra izy ireo hijery akaiky ny toe-draharaha.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.