Fikasana handrava trano etsy ampefiloha

Hiakatra Fitsarana anio indray ny raharaha


  • Zoma 19 Aprily 2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

nisy ilay ady tany ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny Alatsinainy teo izay namoahan’ireo be sandry ny entan’ireo fianakaviana miisa 20 tao an-toerana teny an-tokontany mantsy ka namefeny ilay tanana dia samy efa niparitaka niala tao avokoa ireo iretsy voalohany. Ny sasany lasa any amin’ny fianakaviany, raha voatery nanofa trano tsy fidiny ihany koa ny sasany. Vaovao farany voaray omaly hariva ny fahafantarana fa hiakatra fitsarana anio Zoma 19 Aprily indray ny raharaha. Nisy mantsy ny didy efa nivoaka hoy ny Renim-pianakaviana tompon-trano iray fa mbola tsy azo harodana aloha ny tranon’izy ireo mandrapisian’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana vaovao. Tsiahivina moa fa tanim-panjakana mirefy 2 ara nangatahiny io nanamboaran’ireo olona miisa 5 tompony ireo trano misy ireo fianakaviana 20 ireo. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha.
Pati
Legende : Mbola mifefy tahaka izao ilay tanana hatramin’ny omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT