Fikarohana

ho an'ny fampandrosoana Namoaka


  • Alarobia 02 Septambra 2026

karazam-bary vaovao "Besalohy" ny FOFIFA

Azo tsapain-tanana ny voka-pikarohana mipaka amin'ny fampandrosoana ataon'ny mpikaroka Malagasy momban'ny fiaraha-miasa amin'ny vahiny. Porofon'izany ny nahazoana ny karazambary vaovao "Besalohy" (FOFIFA X265-MP3). Karazam-bary vaovao novolavolain’ny FOFIFA sy JIRCAS (Japoney) izy ary natolotra tamin'ny fomba ofisialy omaly. Fampivadiana karazambary malagasy X265 sy ny karazam-bary Japoney Koshihikari ny Besalohy, ary afaka ahazoana masomboly. Mahazaka aretina sy tsy fahampian-drano izy. Heverina fa tsy tongatonga ho azy ny safidy ny anaran'ity karazam-bary vaovao "Besalohy" ity fa tena mampitombo vokatra hanohanana ny fahaleovantena ara-tsakafo eto Madagasikara.
Nangonin'i Jean D.
Mahazaka aretina sy tsy fahampian-drano ity karazam-bary "Besalohy" ity
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT