Sosialy

Fikarohana ara-pambolena Nivoaka ny karazam-bary “Fy Vary 32” sy “Fy Vary 85”


  • Zoma 05 Novambra 2021

Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin’ireo tantsaha mpamokatra Malagasy no voalohany hisitraka ny Karazam-bary roa vaovao nomena ny anarana hoe: “Fy Vary 32” sy “Fy Vary 85”

, voka-mpikarohana navoakan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny JIRCAS (Japan International Research Institute for Agricultural Sciences) sy ny FOFIFA (Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra) tao anatin’ny Tetikasa FyVary nanomboka ny taona 2017 . Tanjona nimasoan’ny tetikasa FyVary izay fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy Japoney ny hamoaka vary vaovao ahazoana vokatra ambony na dia ambolena amin’ny tany manta aza. Tontosa ny 04 Novambra 2021 teny amin’ny CNEAGR (Centre National de l’Eau, de l’Assainissement et du Génie Rural) eny Nanisana ny fanolorana ofisialy io voka-pikarohana io, taorian’ny famelabelarana nataon’ireo manam-pahaizana mpikaroka mahakasika ireo dingana nolalovana nandritry ny fikarohana. Hiara-hiombon’antoka amin’ny FOFIFA ny Tetikasa PAPRIZ (Projet d’Appui pour l’Amélioration et de l’Industrialisation du secteur Riz) amin’ny fanapariahana ity karazam-bary vaovao ity. Ny FOFIFA no hamokatra ny masomboly fototra ary ny PAPRIZ no hampitombo sy hametraka ny vala fanehoana manerana ny faritra . Amin’ny taom-pambolena 2022-2023 dia efa azo ampiasaina ireo masomboly ireo, hoy ny fampahafantarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT