Sosialy

Fikarakarana taratasin-tany Lafo loatra ny sarany, tsy zakan’ny sarambabem-bahoaka


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Tsy mahavita mikarakara ny taratasin-taniny intsony ny ankamaroan’ireo mponina monina ivelan’ny renivohitra amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao.

 

  Ireo nividy tany na nandova ary tokony hamindra izany amin’ny anarana no betsaka, hany ka misy hatrany ireo mpanararaotra izay  mamadika ny tany amin’ny anarany, aorian’ny fitsirihana  hataony. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Ben’ny tanàna iray eny Atsimondrano eny dia anisan’ny antony mampirongatra ny ady tany eto amintsika izany ankoatra ny halafosan’ny vola aloha eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Raha mikarakara ny « situation juridique” fotsiny mantsy dia nambarany fa mahatratra 30.000 na 40.000 Ar ny vola aloha, vao mahavita iray, vita eo no ho eo raha 2.000 Ar kosa izany raha hatao amin’ilay ara-dalàna nefa hivezivezena mandritra ny roa volana vao vita. Tokony hojeren’ny fitondram-panjakana maika izany raha ny nambarany, indrindra raha tiana ho foana ny ady tany.  Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ireo boky rovitra izay tena be mpanararaotra ihany koa. Tokony hatao mangarahara ihany koa, hoy hatrany ity ben’ny tanàna ity ny fandoavam-bola ka hananganana “guichet unique” iray mihitsy izany.  Nomarihiny manokana moa fa ho ana mpitondra fanjakana iray monina ao amin’ny faritra iadidiana aza roa taona teo ho eo vao nahavita namindra ny tany novidiany tamin’ny anarana noho ny halafosan’ny saran’izany maika fa ireo sarambabem-bahoaka te hanatsara  ny fiainana nefa kely karama sady mafy asa. Mangataka ny hijeren’ny fanjakana ity sampandraharaha iray ity araka izany ity olom-boafidy ity.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT