Sosialy

Fikambanan’ny zanak’Itasy Mijoro hampandroso ny faritra misy azy


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Mbola betsaka ireo olana sedrain’ny Faritra Itasy ankehitriny na dia anisan’ny faritra misy ireo otrikarena maro samihafa aza izy. Anisan’izany ny trondro izay tena mampalaza antsika eto Madagasikara…

Tsy dia afa-mivelona firy anefa ireo mponina any an-toerana noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Tsy mandry andro aman’alina izy ireo noho ny firongatry ny asan-dahalo, hany ka teraka ho azy  ny fahantrana. Mba ho fanampiana ireo mponina any an-toerana ary dia tafatsangana soa aman-tsara ny fikambanan’ny zanak’Itasy hivondronan’ireo filohan’ny fikambanana mihoatra ny 200 isa. Tanjon’ny fikambanana ny hampandroso ny faritra misy azy, tsy manao politika ary vonona hiara-kiasa amin’izay fitondram-panjakana mijoro. Na izany aza anefa dia efa manana vina manokana ny fikambanana  hampandrosoana ny faritra misy azy ary kasain’izy ireo hatolotra ny fitondram-panjakana. Mikasika ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora ao aminy manokana dia vonona ny fikambanana handray ny andraikiny ka anisan’ireny ny famerenana ny soatoavina Malagasy hiarovana iretsy voalohany tsy hanaotao foana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT