Sosialy

Fikambanan’ny tera-tany Camerounais


  • Talata 17 Novambra 2020

Nanampy ireo zaza kamboty tany Antsirabe Mitohy hatrany ny asa soa hiantsorohan’ireo tera-tany Camerounais

 

 monina sy miasa eto Madagasikara mivondrona anaty fikambanana iray. Tonga nitsidika sy nanampy ireo zaza sy tanora kamboty miisa 80 beazina ao amin’ny Foyer Oliva Uhlrich ao Antsirabe izy ireo ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny filohany Omer Kalameu. Ankoatra ny kojakoja fidiovana sy akanjo ary kilalao dia nanolotra fotsim-bary ½ taonina sy paty tamin’ny baoritra koa izy ireo niampy savony sy menaka….Nivoitra nandritra ny fidinan’izy ireo tany an-toerana ny fanehoan’ny fikambanana firaisankina amin’i Madagasikara indrindra taorian’ny nandalovan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika ka nanomezany fampianarana kely momba ny fahadiovana tamin’ireo ankizy sy tanora ireo. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 2008 no nanomboka nandray ireo ankizy kamboty sy ireo tsy afaka manohy ny fianarany vokatry ny fahasahiranana ity ivon-toerana ao Antsirabe ity. Toraka izany koa ireo ankizivavy miteraka aloha loatra nefa narian’ny olon-tiany. Fampiofanana arak’asa no omena azy ireo mba hahafahany mahaleo tena tanteraka rehefa any aoriana tsy hanome vesatra ny fianakaviany na ny fiaraha-monina intsony. 165 km atsimon’Antananarivo moa no misy ny Foyer Oliva Uhlrich ao Antsirabe.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT