Fikambanan’ny tantsaha miavo-tena

“Tena nampahantra tanteraka ny fitondrana Rajoelina!”


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Vao nanomboka ity fitondran’ny fanjakana Rajoelina ity dia anisan’ny latsaka

an-katerena eo amin’ny fahasahiranana maro samihafa ny tantsaha, hoy ny Fikambanan’ny tantsaha miavo-tena ao Amparafaravola. Lasibatra izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Rakotohasinarivo Roger Luc, raha tsy hilaza fotsiny eo amin’ny vidin’ny zezika mihoam-pampana. Toy izany koa ny tontolon’ny fambolena na dia eo aza ny laha-janahary toy ny mba fisian’ny rotsak’orana dia isan’ny tena nampahantra tanteraka ny fitondrana Rajoelina! Nanodidina ny 13 hatramin’ny 15% ny taham-pahavitrihan’ny olona nandeha nandatsa-bato, raha ny tao Amparafaravola manokana. Voarain’ireo tantsaha tamin’ny alalan’ny onjapeo sy haino aman-jery samihafa ny toromarik’ireo firaisankinan’ny kandida nanentana hoe tsy tokony hifidy isika fa feno hosoka io fifidianana io. Nihatra teo amin’ny fiainany rahateo ny fampahantran’ilay fitondrana. Mitady hiverina amin’ny fitondrana indray anefa ilay olona ka izany no antony hiakaranay aty Antananarivo mba hanoherana ny jadona, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT