Sosialy

Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy Mampirisika ny mpikambana hanatevim-pahalalana hatrany


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Ny teny velona sy miaina, ny kabary koa tsy latsak’izany ka anisan’ny tetikasa eo anivon’ny FIMPIMA ( FIkambanan’ny MPIkabary Malagasy)

 

 

 mba hanatrarana ny tanjona ny fanatevenam-pahalalana ho an’ireo mpikambana. Misy hatrany ny fiofanana izay ataon’ny FIMPIMA ka ohatra amin’izany ny fiofanana nokarakarain’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy teny amin’ny sekoly Rasalama ny sabotsy 8 febroary lasa teo izay nampitondraina ny lohahevitra hoe : « etikan’ny kabary sy ny hay fampitana hafatra eo

anivon’ny sokajin’olona samihafa » niarahana tamin’ny Dr Nalisoa Ravalitera.

Tsy vao sambany akory izao fiofanana izao, hoy Rtoa Hanitra Andriamboavonjy filoha maneran-tany FIMPIMA fa efa fanao isaky ny telovolana. « Nisy ny fampianarana ireo mpikabary momba ny feni-panoratana ny teny Malagasy niarahana tamin’ny mpampianatra

mpikaroka teny amin’ny oniversite. Teo koa ny aro fenitra eo amin’ny lanonam-panjakana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nohatevenina ny fahaizan’ireo mpikabary mikasika ny etikan’ny kabary sy ny hasina. Ilain’ny mpikabary ny fiofanana satria fanomezana fanampim-pahalalana ho azy, indrindra manoloana ny fivoaran’ny ambaindain’ny fikambanana sy ny faritra ary ny manodidina azy misy eto an-toerana ka eran’izao tontolo izao, misy ny fivoarana ka tokony hianatra. Nasongadin’i Nalisoa Ravalitera izaympikambana ao amin’ny birao foibe FIMPIMA tamin’ny fizarana izay nataony fa  «  misy tandro hasina izany hoe misy hasina mila tandrovana rehefa mikabary. Ao ny hasin’ny teny, ny hasin’ny tena izay mikabary ary ny hasin’ny olona izay ikabariana. Tahakan’ireny, karazana aro riaka ihany koa mba tsy hipetrapetra-potsiny na hanao tsianjery fotsiny na sanatria hanao pilia vava fa hamantatra ny hodidina, ohatra ny zavatra ikabariana ary tokony hiofana amin’ny fahalalana ankapobeny mihitsy ny mpikabary» . Nomena torolàlana ihany koa ny mpikabary amin’ny fomba fampitana hevitra izany hoe mampita hevitra am-pitoniana ary mahalala sy zavatra tenenina. Ao ihany koa ny fanetren-tena ary farany nyfampitomboana ny fahalalana mba hahafehy ny toe-javatra izay mety hitranga.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT