Sosialy

Fikambanan’ny Banky Mitsinjo hatrany ireo mpanjifa


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Namoaka fanambarana ireo fikambanan’ny Banky mivondrona ao anatin’ny APB (Association Professionnelle des Banques)

 

 

 

 fa hijery manokana ireo mpanjifa rehetra indrindra ireo manana fahasahiranana manoloana ny aretina Coronavirus. Nilaza izy ireo fa manohana tanteraka ny fepetra noraisina ary mbola horaisin’ny fanjakana amin’ny ady iatrehana amin’ny aretina. Misy araka izany ireo fepetra manokana noraisin’ny APB tahaka ny fanemorany ny fotoana fandoavam-bola fanao isam-bolana. Mbola azo atao tsara ihany koa ny mihindram-bola ho an’ireo mila vola ary tsy miova ny fe-potoana famoaham-bola eny amin’ny Banky araka ny tolotra misy isan-karazany. Izany no atao ho fitsinjovana ireo mpanjifa sy ireo mpandraharaha ary ireo orinasa mba tsy ho sahirana ka hisy akony ratsy amin’ny lafiny ara-toekarena ny firenena. Eo ihany koa ny fijerena manokana ireo mpanjifa mandray karama isam-bolana kanefa tsy miasa tampoka noho ny zava-misy. Amin’izany no hanitarana ny fotoana fandoavam-bola hatrany amin’ny 3 volana. Misy ihany koa ireo orinasa madinika sy salantsalany izay nanajanona na nampihena ny asa fanaony. Hihemotra hatrany amin’ny 3 ka hatramin’ny 6 volana kosa ny fandoavam-bolan’izy ireny arakaraky ny zavamisy. Tsy misy ny sazy amin’ireo fepetra noraisina ireo ary mila manatona ny Bankiny ny tsirairay mangataka fanazavana fanampiny.

 Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT