Sosialy

Fikambanan’ireo tompona Cybercafé Hihetsika raha tsy mivaha ny olana amin’ny « connection »


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Nivory tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga ny sabotsy teo ry zareo avy eo anivon’ny fikambanan’ny mpikirakira tambajotra aterineto sy tompon’irony toerana fanjifana izany irony na itony atao hoe Cybercafé itony.

 

 Anton’ny fivorianay ato amin’ny ACIBIMAD, hoy ny filohan’ny fikambanana, Rija Rakotonirina, dia ny mba hitadiavana vahaolana amin’ity resaka « connection » diso miadana loatra ity. Izahay tompona Cyber anefa nahazo mailaka avy amin’ireo tambajotram-pifandraisana daholo fa mbola hiakatra indray, hono, ny saran’ny vola aloa any amin’ireo mpaninjara. Ny kalitaon’ny zava-jifaina anefa miha maha sorena hatrany. 20.000 ariary foana isan-taona io sondro-bidy io saingy tamin’ity dia nahoana loatra, hoy izy ireo, no dia lasa 200.000 ariary be izao ? Ho zakan’ny sarambabem-bahoaka ve izany ? Tadidio fa tsy ny tompona Cyber ihany no voa mafy fa eo koa ireo mpikirakira tambajotra na ilay antsoina hoe « Internaute » toy ny mpiasa birao sy ny mpanao gazety, hoy izy. Tonga niara-nivory taminay ny anton’io olana io, hoy izy ireo, ny Orange fa ny Telma no mahagaga hoe naninona no tsy tonga kanefa nandefasana fitarainana. Handefa taratasy fangataham-panazavana amin’ny Telma sy ireo mpaninjara « connection » hafa mikasika ny anton’izao fampiakarana midangana tsy mifanaraka amin’ny kalitao izay miha ratsy izao izahay, hoy ny ACIBIMAD, ka rehefa tsy mahazo valiny mahafa-po dia miala tsiny fa tsy maintsy hanao hetsika tsy hampoizinareo. Miisa 400 eo ankehitriny ireo tompona Cyber ao amin’ny ACIBIMAD fa tsy azo adino koa anefa, hoy izy ireo, ireo « internaute » be dia be efa tsy voaisa intsony.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT