Sosialy

Fikambanana Za’Gasy Natomboka ny hetsika Sabotsy Fifanampiana


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Nosokafana ofisialy tamin’ny sabotsy 17 novambra teo teny amin’ny sekoly Md Etienne Ambanidia ny hetsika Sabotsy Fifanampiana. Hetsika nataon’ny fikambanana Za’Gasy tarihan’i Jean Navandahy Ratiharison hanampiana ara-tsosialy

 

 

 an’ireo mpikambana ao aminy eny amin’ny boriborintany faha-2 isaky ny sabotsy mazava loatra. Mety ho hetsika fanampiana an’ireo mpikambana sahirana toy ny natao tamin’ity sabotsy fanokafana ity izany ka nanolorany vary 75 gony sy savony 50 baoritra, sira 1 avy isan’olona an’ireo olona miisa 1200 avy amin’ny fokontany 24 ao amin’ity boriborintany ity. Notolorana fanampiana sahaza azy ihany koa ireo Za’Gasy mpitarika isam-pokontany izay miisa 50 mba hoentiny hanampiana ny fampidirana mpianatra. Isaky ny sabotsy faha-2 amin’ny volana no hanatanterahana hetsika tahaka izao raha asa sosialy hafa ao anaty vinan’ny Za’Gasy no hatao isaky ny sabotsy tsotra. Mbola vinan’ny Za’gasy koa ny hangataka ny hanaovana maimaimpoana ny fanomezana rano eto amin’ny firenena, ny hangatahana fitsaboana maimaimpoana koa eny amin’ny Csb II ary fampiharana maimaimpoana eny amin’ny Epp.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT