Miezaka hatrany amin’ny fanampiana ireo fikambanana, vondron’olona, mila fanampiana aminy ireo fikambanana samy hafa misehatra amin’ny asa sosialy eto Toamasina, na eo aza ny olana samy hafa misy ara-politika sy ara-tsosialy misy eto amintsika izao, izay tena liana amin’ny fisian’izy ireo.
Ho an’ny fikambanana Tanora Sahy mandray Andraikitra, “TSMA”, izao dia nisy ny fanomezana sy fanolorany fanomezana samy hafa ireo vondron’olona sy fikambanana niangavy fanampiana tamin’izy ireo. Anisan’izany ny Fikambanana Teraky Ford Dauphin ao Toamasina, “FITEFATO”, izay hanao ny fifampiarabany noho ny taona vaovao; ny Fikambanan’ny Ampelan’Androy hanomana fetim-biaviny; ny Fifanampian’ny Teraky Betsileo, “FITEBE”, izay hanomana ny taom-baovaony ary ny Fikambanan’ny Zafisoro eto Toamasina hifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2018 ihany koa; izay samy notoloran’ny fikambanana “TSMA” vary avokoa mba hahafahan’izy ireo miatrika am-pifaliana ny fetin’izy ireo avy araka ny fangatahan’izy ireo. Tsy adino koa anefa ireo vondrona tanora samy hafa, ka notoloran’ny fikambanana vola hahafahany miatrika ny fiatrehany ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny Basket-ball U20 atao eto Toamasina ny ekipan’ny “Squad” lehilahy; nahazo fanamiana fitondra milalao baolina kitra kosa ny ekipan’ny “Scorpion” Tanambao V. Ankoatra izay dia efa manomana ny ho fahatongavan’ny fetim-pirenena 26 jona 2018 amin’ny fanampiana ireo fianakaviana sy ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana marefo koa izy ireo ankehitriny.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.