Sosialy

Fikambanana Tsiorintsoa Hohamafisina ny asa sosialy eny Atsimondrano


  • Talata 29 Janoary 2019

Tontosa ny sabotsy 26 janoary teo teny amin’ny foiben-toerany teny Iavoloha ny fivoriamben’ny fikambanana Tsiorintsoa Atsimondrano, notarihin’ny filoha mpanorina Nofy Lalaina Haingoharijaona.

 

Nentina nanapahana ny firafitry ny fitantanana sy ny birao famaritana, ny asa mandritra ny taona izy ka voasolotena avokoa ireo kaominina miisa 26 ao amin’ny distrikan’Atsimondrano, raha ny fanazavan’ny mpitarika. Ny asa sosialy no tena hahafantarana ny Fikambanana Tsiorintsoa, mijery ny manahirana ny vahoaka. Vita ny fandaminana tamin'ny volana janoary. Manomboka eto dia asa fa tsy kabary. Hanohy hijery ny olana mahazo ny vahoaka ny fikambanana, hoy ny filohan'ny fikambanana Lalaina Nofy Haingoharijaona. Tsy hijery fotsiny fa hitondra vahaolana sy hanao izay azo atao. Nasiany teny ny hitondran’ny fikambanana anjara biriky eo anatrehan’ny fahamaizan’ny CEG Ambohidrapeto. Tsy manao politika ny fikambanana, saingy tsy mahasakana azy hitondra ny anjara birikiny amin’ny firenena izany. Anisan’ireo misehatra ao anatin’ny TIM.K25 nanohana an’i Marc Ravalomanana izy ireo, ka nanao izay ho afany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa teo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT