Sosialy

Fikambanana TOUS UNI Manoro hevitra ny mpiara-belona hiady amin’ny fahantrana


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Mbola olana goavana eto amintsika ho an’ny fikambanana Tous –uni ny tsy fahaizan’ny ankohonana mifanampy sy mifanohana, antony mampihanaka be ny fahantrana tahaka izao.

 

 

 

 Rehefa ny tsirairay mantsy hoy Rtoa Havana Miarantsoa Vonifanja tompon’andraikitra ao anatin’ny fikambanana no miray hina sy mifanohana dia hahita fahombiazana hatrany. Tsy voatery manana fahefana hoy izy vao afaka hanao zavatra toa azy olon-tsotra nefa tena misehatra amin’ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona tokoa. Anisan’ny toerana efa nanaovan’izy ireo asa soa ny teny Ampitatafika, Anosiavaratra,  Analakely, Anosizato ary Ambohimanarina. Fianakaviana marefo maro no nahazo tombontsoa taorian’ny nananganana tsena kely ho azy ireo hahafahany mivelona, trano fonenana vaovao ho an’ireo nonina tamin’ny toerana tsizarizary….Tsy adinon-dramatoa Havana Mirantsoa ny naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena misy ankehitriny. Nambarany fa tsy azo ekena intsony ny fanemorana ny fifidianana izay kasain’ireo kandida miisa 22 hatao. Aleo manana fanjakana mijoro, hoy izy hahafahana manatontosa ireo karazana asa fampandrosoana tokony hatao eto amin’ny firenena.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT