Sosialy

Fikambanana Tena Namana Miara-dia Hivarotra sakafo mora ho an’ireo tena sahirana


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Fikambanana vao niorina roa volana izay ny Fikambanana Tena Namana Miara-dia tarihin’ny filohany Rtoa Novah Colombe.

 

Mpinamana avokoa izy ireo no ao anatin’ny fikambanana izay efa mihoatra ny 100 isa, manana tanjona hanampy sy hanohana ara-tsakafo ireo tena sahirana ara-pivelomana, indrindra fa ny zaza amam-behivavy ary ny zokiolona. Teny amin’ny Fokontany Ankorondrano Andrefana sy Tsaramasay no nanohizan’izy ireo ny hetsika ny Sabotsy teo ka nizarana vary sy laoka masaka ho an’olona miisa 300. Niarahan’ny fikambanana niasa tamin’ny Fokontany ny fijerena ny anaran’ireo tena sahirana raha araka ny fanazavan-dRtoa Novah Colombe. Ezahin’izy ireo hotohizana isan-kerinandro izany ka atsy ho atsy dia hisy mihitsy ny antenne hatsangana isaky ny Fokontany hamarotana sakafo mora ho an’ireo tena sahirana ka izay mpikambana ihany no hisitraka izany. Nomarihin-dRtoa Novah Colombe moa fa misokatra ho an’ny rehetra ny fikambanana ary tsy mialon-jafy. Tafiditra ao anatin’izany ireo te-hanampy ny fikambanana  ho fanasoavana ny mpiara-belona.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT