FIKAMBANANA TAMA

Nizara sakafo ho an’ny beantitra


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

Toa ny fanaony isaky ny volana Desambra tahaka izao dia nijery ireo marefo

sy sahirana eny anivon’ny fiaraha-monina indray ny Fikambanana Tanora Actif An'i Madagasikara , notarihin’ny filohany Razafimandimby Rija Ethel. Raha tsiahivina kely mantsy dia volan'ny fizarana sy fankasitrahana no hiantsoan’ny fikambanana ity volana Desambra ity. Ireo beantitra noho izany no nosafidian’ny fikambanana nisitraka izany voalohany omaly Alahady 03 Desambra. Fizarana sakafo masaka no natao raha tao amin'ny fokontany Ankorondrano Andranomahery, Boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo renivohitra kosa no nisantarana izany . Miisa 50 ireo nisitraka izany izay fantatra fa mbola santatra am-bava rano ihany. Ny Ray aman-dReny mantsy no mendrika omen-danja voalohany hoy ny filohan’ny fikambanana. Mbola hitohy any amin’ny faritra maro ny hetsika.
Pati
Legende : Nisahirana fatratra tahaka izao ny filohan’ny fikambanana TAMA nizara sakafo ho an’ny zokiolona tao Ankorondrano !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT