Sosialy

Fikambanana SoloKely Hisahana ny sosialim-bahoaka eny Ambohidratrimo


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Ny sabotsy 29 jona 2019 teo no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny SLK Mandriambero ny fitsanganan’ny fikambanana FSK “Fikambanana SoloKely”

hisahana ny sosialim-bahoaka an-kasoavana sy an-karatsiana eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo misy ny foibeny. Tafiditra amin’izany indrindra, hoy Ramandimbisolo Berthin “Solokely” filohany, ny fanampiana an’ireo zokiolona sy ireo marefo ara-pivelomana ary ireo tanora eny an-toerana. Tamin’ny 12 jona 2019 teo no efa nahazo fankatoavana ara-panjakana ity fikambambanana ity izao  nampahafantarina ofisialy izao. Efa mahatratra 200 ankehitriny ny mpikambana ao amin’ny FSK ary hezahina hapariaka manerana ny nosy izy io, araka ny voalazan’ny filohany hatrany. Hezahina ihany koa, hoy izy, ny handray anjara mavitrika amin’ireo adidy atao eto amin’ny firenena toy ny fambolen-kazo sy fanadiovana  faobe. Fikambanana tsy manao politika ary tsy manavakavaka finoana sy fiaviana ary saranga ny FSK izay manana ny teny filamatra “Ny fifankatiavana no fandresena”. Tsiahiviny fa eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy  teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena  (filoha lefitry ny FMJ sady filohan’ny Judo club Esca) no tena nahafataran’ny maro an’Atoa Ramandimbisolo Berthin.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT