Sosialy

Fikambanana ROAD Mitaiza ny olom-pirenena mba ho tompon’andraikitra kokoa


  • Talata 01 Oktobra 2019

Ny “Responsible People Acting for Development” na ROAD dia fikambanana niforona ny volana jolay 2019 rehefa avy nahita sy niaina ny fasahiranana misy teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy ny mpiara-mianatra tao amin’ny ESSAgro, ISPM ary STICOM.

 

 

 

 

Anisan’ny zavatra tena hita nisongadina tamin’izany ny fahaloton’ny tanàna, ny tsy fandriampahalemana, ny ankamaroan’ny tanora an’asa noho ny fahasarotan’ny fitadiavan’asa, ny fasahiranan’ireo tantsaha mpamokatra mamokatra sy mamoaka ny vokatra ho eny an-tsena, ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny tsy fahafahan’ny tsirairay ny zony ohatra eo amin’ny olon’ny fananan-tany ary ny tsy fandraisan’ny tsirairay andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina raha hatao ohatra amin’izany ny fandotoana ny tontolo manodidina. Heverina fa vokatry ny fahantrana sy fahasahiranana lalina iainan’ny ankamaroan’ny Malagasy no mahatonga ireo zavatra maro samihafa ireo. Anisan’ny antom-pisian’ny fikambanana voalohany ny fanampiana ireo sahirana mba hananan’izy ireo fiainana tsara kokoa. Ao ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanabeazana ny tsirairay hitia sy hikolokolo azy. Ary farany dia ny fitaizana ho olom-pirenena fitaratra, misitraka ny zony ary mandray ny andraikiny eo anivon’ny fiarahamonina. Mba hanatanterahana ireo dia amin’ny alalan’ny tambajotra serasera Facebook aloha no miasa ny fikambanana ary mitondra ny anarana hoe “Road Madagascar”. Nofidiana io fomba fiasa io noho ny faharesena lahatra fa fitaovana matanjaka ahafahana mampita hafatra izy raha voafehy tsara ary noho ny antony enti-manana. Tsy manakana anefa izany amin’ny fandraisana andraikitra satria ny erikerika no mahatondra-drano koa resy lahatra izahay fa amin’ny alalan’ny fandraisan’ny tsirairay ny andraikitra tandrify azy no mahatonga fampandrosoana haingana eto amintsika. Mila ny tsirairay miasa tsara sy matotra ary fahaiza-mitantana fotsiny.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT