Sosialy

Fikambanana « Porte Bonheur » Nanampy ireo zokiolona teny Alasora


  • Talata 05 Aprily 2022

Tsy nanadino ireo Ray aman-dReny nahitana masoandro ny fikambanana Porte Bonheur tahirin-dRazaka Mireille, vadin’ny Ben’ny tananan’Alasora.

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fikambanana tamin’ny fikambanana Baobab dia nanolotra kidoro miisa 60 ho an’ireo zokiolona tao Alasora izy ireo ka 3 isam-pokontany no nofidiana tamin’izany. Fokontany miisa 20 no nanaovana ny hetsika ka ireo Ray aman-dReny lehibe indrindra na voky taona no nontsongaina manokana tamin’izany. Mbola notolorana kidoro ihany koa ny CSB II ao Alasora sy ny trano fiterahana ankoatra ireo tena sahirana. Miisa72 ny totalin’ireo kidoro nozaraina izay nezahina notsinjaraina araka ny tokony ho izy. Nambaran-dRazaka Mireille, filohan’ny fikambanana fa hitohy hatrany ny ezaka hataon’izy ireo. Fikambanana miezaka manohana ny Reny sy ny zaza rahateo ny Porte Bonheur ka ankoatra ny fizarana fanampiana tahaka izao dia misy hatrany ny fanomezana fiofanana ireo vehivavy mpikambana mba hahafahany miarina sy miezaka amin’ny fiainana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT