Sosialy

Fikambanana mitaiza zaza kamboty ao Mahajanga Notoloran’ny orinasa Star fanampiana


  • Talata 20 Aogositra 2019

Tsy nanadino ny ivontoerana “Les enfants de la Sainte Famille » manabe sy mikolo ireo zaza kamboty ao Mahajanga ny orinasa Star nandritra ny fandalovany tany an-toerana tamin’ny alalan’ilay hetsika Star tour,

 

 

 niarahany nikarakara tamin’ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga. Kits scolaires miisa 25 no natolony tamin’izany niampy boky miisa 100. Tafiditra ao anatin’ny asa sosialy tanterahin’ity orinasa ity hitsinjovana ny mpiarabelona na  ny RSE. Tsiahivina fa mandray ireo ankizy nariana na nampijaliana teny anivon’ny fiarahamonina ny « Les enfants de la Sainte Famille » ao Mahajanga. Tanjon’izy ireo sy fototra hijoroany ny hiaro ireny ankizy ireny amin’ireo loza mety hanjo azy ary hikarakara azy hahafahany miaina anaty tontolo mirindra sy milamina indray. Miisa 24 ny ankizy beazina ao ankehitriny, folo volana ka hatramin’ny 15 taona.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT