Fikambanana Manampy

«Ny fanabeazana no zavatra omena tsara indrindra!»


  • Talata 16 Aprily 2024

Raha mbola misy koa ny azo atao sy ho zaraina amin’ny mpiara-belona dia tsy mitsahatra

manampy araka ny anarany ny fikambanana na «association» Manampy, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Ratsisetraina Ollie, mba hitondra hafaliana ho azy. Niditra tany amin’ireo sekoly fanabeazana fototra miankina amin’ny fanjakana toy ny teny Andravoahangy ambony, Avaradoha, Vohibola, Akorondrano izahay ny volana febroary, martsa, aprily, hoy izy, ho fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fanabeazana. Nampianatra ny atao hoe etika sy sivisma. Heverina fa mbola kely ny ankizy dia tokony hampianarina an’ireny. Tena misy idiran’ny fanabeazana maha olompirenena io. Atomboka amin’ny hoe «Aza manarinary fako eny amin’ny lalana eny!», ohatra, «Eto no natokana ho an’ny fiampitan’ny mpandeha tongotra.», «Aza mandrorarora na manisinisin-delo eny rehetra eny!», «Miarahaba olona!», izany hoe, ilay fanabeazana fototra mihitsy no tokony averina ary miady mafy hatrany hamerenana izany ho an’ny mpiara-belona rehetra izahay mba hahatonga ny rehetra ho olompirenena vonona sy vanona. Mivelatra be ny fikambanana. Manampy ary misy fikambanana hafa koa miara-miasa aminy. Tsy voatery aty amin’ny boriboritany misy ny foiben’ny fikambanana ihany fa na aiza na aiza manolotra fiaraha-miasa dia afaka mifanatona sy mifanampy rehefa afaka mifanolotra izany. Ny fanabeazana no zavatra omena tsara indrindra! Tsy tambazana vola io ary tsy voavidy vola. Tsy hikely soroka izahay ho an’ny fanabeazana mba hitondra fampandrosoana, hoy hatrany ity fikambanana ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT