Sosialy

Fikambanana Manampy Hiverina hanolotra sakafo ho an’ny marefo ara-pivelomana


  • Talata 23 Mey 2023

Eo ihany ny fitiavana ny mpiara-belona efa ao anaty fa efa nandalo fahasahirana sy tsy fahampiana koa ny tena dia izay no isan’ny mandrisika hanao asa soa, hoy ny filohan’ny fikambanana Manampy,

Fara Ratsisetraina na Ratsisetraina Ollie Ollie, izay fikambanana mpanao asa soa. Tanjona, hoy izy, ny mba hahatonga izany ho tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka sy ny firenena. Hitarika fa tsy ho tarihina intsony ary hanome fa tsy omena intsony. Indraindray anefa ny fanampiana manimba ny sain’ny olona mahazo azy ihany satria lasa miandry tolorana foana ilay olona. Miezaka izahay, noho izany, ny mba hanisy lamina maharitra ilay izy mba hamokaran-drizareo fa tsy hiononany amin’ny fanampiana. Io ilay antsoin’ny frantsay hoe «activité génératrice» na famokarana fitadiavam-bola hiadiany amin’ny fahantrana. Ho ahy manokana izao dia nihaino ny fitarainan’ny olona manodidina anay ety Besarety ety dia misy miteny hoe tsy manana vary izahay madama na tsy misakafo fa omeo dia manontany azy ianao hoe inona moa no asanareo? Misy ny mpanasa lamba, misy ny mpivarotra hani-masaka dia arakarak’izay no hijerena hoe inona no azo hanampiana azy. Hiverina hanolotra sakafo mafana ho an’ny marefo ara-pivelomana indray izao izahay any amin’ny tapatapaky ny volana jona any. Miisa 250 eo hatrany no ezahanay sy ny mpiara-miombon’antoka ampisitrahana izany. Nanomboka tamin’ireny fihibohana ireny no nanombohana an’io tamin’ny alalan’ny fanomezana vary amin’anana na sakafo maraina azy ireny nandritry ny 1 volana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende : Ny filohan’ny fikambanana Manampy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT