Fikambanana Manampy

Hiditra lalina amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sosialy


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Latsaka lalina amin’ny fahefa-mividy ambany dia ambany ankehitriny ny vahoaka malagasy,

hoy ny fikambanana Manampy. Noho izany dia miditra amin’ny sehatry ny tena fampandrosoana ihany koa amin’izao fotoana izao ny fikambanana na «association Manampy», hoy ny filohany, Fara Ratsisetraina. Misy fizaràna miisa 2, noho izany, hoy izy, ao dia ny lafiny sosialy na «volet social» sy lafiny ekonomika sy sosialy na «volet économique – social». Hiditra lalina kokoa amin’ny fandraharahana sosialy na «entreprenariat social», noho izany, ny fikambanana. Hiady mafy ihany koa eny anivon’ireo fitondràna mahefa mba hipetrahan’izany tena hoe fiarovana ara-tsosialy ho an’ny vahoaka izany. Hisy koa ny famoronan’asa mendrika hidirana an-tsehatra ho an’ireo olona eny ifotony fa tsy hianona fotsiny amin’ireo fanomezana satria fohy ezaka kely ireny. Aleo mba mitady zavatra antonony sy lavitra ezaka ho an’ireo olona ireo. Hiditra mafonja amin’izay resaka fandraharahana ara-tsosialy izay, noho izany, manomboka izao ny fikambanana Manampy. Ho atomboka amin’ny taona 2025 sy famolavolana izany tetikasa fampandrosoam-piarahamonina izany. Ohatra amin’ilay fampiroboroboana ny fandraharahana sosialy ny fanomezana fiofanana ho an’ireo sarangan’olona tsy manana mari-pahaizana na tsy manana na inona na inona nefa afaka manao gargoty na mamorona varotra enta-madinika, eny, afaka mamorona fikambanana kely saingy miezaka foana miditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna na «formel». Ireny fiofanana omen’ny minisiteran’ny fananan’asa sy minisitera samihafa ireny, toy ny hoe fanamboarana mofomamy na savony ireny, izany no ho tohanana ao anatin’izany, hoy hatrany ity fikambanana ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT