Fikambanana « Maiha » sy « Beau gosse en action »

Mampianatra maimaimpoana ny olona hanamboatra lava-drano


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Mampianatra ny olona maimaim-poana hanamboatra lava-drano ny Fikambanana MAIHA

na ny Malagasy Iray Hasina sy ny Beau Gosse en Action. Mitombo isa hatrany mantsy ireo olona mitaraina vokatry ny fahazoana rano fisotro madio eto amintsika na ny eto an-drenivohitra izany na ny amin’ny Faritra. Eo an-danin’izay vao ny 50%-n’ny mponina monja no misitraka izany manerana ny Nosy. Etsy amin’ny Fier Mada andiany faha-25 tanterahina etsy amin’ny Maki Andohatapenaka no ahitana azy ireo hatramin’ny Alahady 11 Aogositra ho avy izao, raha araka ny fanazavan-dRandriamandroso Feno Hasina Deric, filoha mpanorina ny Beau Gosse en Action. Faran’izay mora sy tsotra raha ny nambarany ny manamboatra lava-drano na ho an’ny toerana iva sy tery toy ny eny Ambodin’Isotry aza. Ankoatra izay dia hampahafantarin’izy ireo eny an-toerana ihany koa ny fomba fananganana fatana amin’ny alalan’ny fampiasana ireny menaka efa tsy miasa intsony na huille de vidange ireny. Eny amin’ny Nect’Art Tsiazotafo sy eny Anosibe Volaniray moa no toerana ahitana azy ireo amin’ny andavanandro.
Pati
Legende : Mora sy tsotra ny manamboatra lava-drano tahaka izao hoy ny fikambanana Beau Gosse en Action !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT