Sosialy

Fikambanana Mahavagno Nihaona tamin’ny OIF teny Amboatavo Itaosy


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Teny amin’ny toby iray fikarakarana zaza sahirana hampian-dry zareo teny Amboatavo Itaosy, omaly zoma 21 desambra 2018 tolakandro, no nihaonan’ny fikambanam-behivavy Mahavagno izay efa mijoro manerana ny faritany 6 eto

 

Madagasikara ary tarihan’ny filoha mpanorina azy, ny depiote Randrianasolo Volatiana Pauline, tamin’ny filohan’ny delegasion’ny OIF, Atoa Philippe Courard, tonga manara-maso ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy fihodinana faharoa. Araka ny resadresaka heno teny Amboatavo dia liana amin’ny tetika maro hananan’ity fikambanana ity ny OIF amin’ny ankapobeny ary vonona ny hitondra an’izany tetikasa izany eo amin’ny fikambanana iraisam-pirenena any ivelany any mba hahazoana manampy azy. Tetikasa miompana amin’ny fanatsarana ny vehivavy Malagasy sy ny ankizy ary ny fiarovana ny zon’ny vehivavy ireo tetikasa ireo raha ny tanjon’ny Mahavagno ary koa mbola mampirisika ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena. Tsy vao ity OIF ity no nilaza ny hanampy ny fikambanana tarihako, hoy ny depiote Volatiana Pauline, fa efa teo koa ny Royaume du Maroc nosoloin’ny ambasadarony tena ary inoana fa mbola ho maro koa ny mbola ho avy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT