Sosialy

Fikambanana Leo Fahantrana Miala nenina farany amin’ireo mpanao politika notohanany


  • Alatsinainy 27 Febroary 2023

Efa mihoatra ny 1.000 ireo mpikambana eo anivon’ny Fikambanana Leo Fahantrana na ny FILEFA eto Antananarivo renivohitra amin’izao tarihin’ny filoha nasionaly Razafindrakoto Jackye.

Vahoaka sahirana avokoa ny ankamaroan’izy ireo miady izay ho anjara masoandrony ary manam-pikasana ny hametraka mpitondra tena mahavita azy fa tsy hanao fitaovana politika ny vahoaka fotsiny. Ho azy ireo manokana mantsy dia anisan’ny tena nanohana fatratra ny fitondrana mijoro amin’izao izy. Ny tena mampalahelo anefa raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny dia toy ny tsy misy Reny na Ray mpiahy izy ireo rehefa misy hetsika hataony. Ny fikambanana sasany anefa dia tohanan’ny Fitondram-panjakana hatrany ka mahazo hatramin’ny omby sy ny vary mihitsy mba hataony sakafo. Fotoana tokony hanitsian’ny filoha ny diany izao hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny FILEFA. Tsy tokony hisy fanavakavahana hoy izy na fijerena tavan’olona ny fanampiana sy fanohanana fa rehefa namana dia namana. Tsiahivina moa fa tsy ny FILEFA ihany no mahatsiaro ho voahilika tahaka izao. Marobe ireo lasibatra sy nandrenesana fitarainana izay nanohana ny fitondrana misy ankehitriny nefa toa tsy hitan’izy ireo akory rehefa tonga eo amin’ny toerana tadiaviny izy. Mbola miala nenina fatratra amin’ireo mpanao politika tohanany araka izany ny FILEFA. Raha tsy misy fijerena kosa anefa izy ireo dia nanambara Razafindrakoto Jackye fa afaka adidy amin’ny fatana izy satria nandoro kitay tsy nirehitra. Ho an’ny filoha manokana dia fantatra fa efa nandefa taratasy fangatahana fihaonana mivantana aminy ny fikambanana koa andrasana izay mety ho tohiny. Tsy mitsaha-mitombo moa ireo olona manaraka ny fikambanana amin’izao izay marihina fa mbola manofa trano avokoa. Tany mirefy 28 eny Avaradrano eny hatreto no efa azon’ny fikambanana avy amin’ny malala-tanana raha 7 ha teo aloha hozaraina ho an’ireo mpikambana ireo mba hahafahany manangana tranokely tsirairay avy.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ireo mpikambana tetsy amin’ny EPP III G Hangar tamin’ny faran’ny herinandro teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT