Sosialy

Fikambanana « JAMAIS MORT » Nanampy ny vahoaka tany Vangaindrano


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Ho fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 dia nanatanteraka hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais Mort. Fitsinjarana

maimaimpoana jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro miisa 30 manana tanjaka 800 w ho an’ireo Fokontany teo ao anatin’ny distrika no nataony tamin’izany dia ny Fokontany Nanasana , Fokontany Mahandroa ary ny Fokontany Ampasimalemy mba ho valimbabena sy ho fampandrosoana ny tanàna niavina. Zanakin'ireo tanàna ireo mantsy ankamaroan’ireo mpikambana ao anatin’ny Jamais Mort. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny fitsaboana maimaimpoana sy fanalana nify natao niarahana tamin'nympitsabo manana traikefa manokana momba izany. Ho fanajana ihany koa ny Ray aman-dreny sy ho famerenana ny firaisankina ary ny fihavanana no anton’izany. Ao anatin’ny kolontsaina Antesaka moa dia nanolotra omby ho an’ny AmpanjakateloTroky ny fikambanana sy ny Zanakala ary nyTetikasa Zava-manitra. Ho mariky ny fizivana misy eo amin’iny faritra atsimo iny moa no hanoloran’ny Tetikasa Zava-manitra sy ny Zanakalaizany, mba ho fanamafisana ny firaisankina sy ny firahalahiana. Tsara ny mampatsiahy fa mifantoka amin’ny asa sosialy sy asa fampandroasana ny faritra ny fikambanana tao anatin’izay 17 taona nijoroany izay ary efa misy mpikambana 1000 mahery manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Nandritra ny lanonana notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT