Sosialy

Fikambanana Harena Soa Manao ny asa tsy vitan`ny fanjakana


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

“Tsy voatery ao anatin`ny fotoam-pifidianana no tokony hanatanterahana asa sosialy”,

 

hoy Rasoanaivo Jean Joseph, mpitarika ny fikambanana Harena Soa any amin`ny distrikan`i Anjozorobe, ny herinandro lasa teo. Nanolotra vatomamy sy biskitra ho an`ireo zaza marefo miisa 450 tao amin`ny kaominina Marotsopy Anjozorobe ny fikambanana. Nizara fitaovana toy ny lambahoany sy vilany amin`ny fikambanana vehivavy tany an-toerana ihany koa ka vehivavy maherin`ny 600 no nisitraka izany. Nosafidiana manokana ny fikambanam-behivavy satria ireo no mahatsapa ny fijalian`ny manodidina, hoy Rasoanaivo Jean Joseph. Izy ireo rahateo no mahay mandresy lahatra ny lehilahy vadiny sy ny zaza tanora. Nampiavaka ity hetiska ity dia dimy andro no nanaovana ny fizarana ireo fanomezana ireo. Mbola hitohy ny asa sosialy amin`ny faran`ny volana ka zokiolona 550 no hahazo tombony. Bodofotsy sy menaka iray litatra ho an`ny beantitra indray. Raha tsy nisy ny zokiolona tsy nisy sy tanteraka ny zanaka amam-para, hoy hatrany ny fikambanana. Nomarihiny kosa fa manao ny asa tsy vitan`ny fanjakana ny fikambanana mpanao asa soa satria mbola sahirana ny fitondram-panjakana ka izy ireo aloha no manana fahaleovantena hanampy vahoaka. Kaominina anisan`ireo lavitra i Marotsopy ary olana any an-toerana ny tsy fandriampahalemana sy ny lalana ka ireo no ezaka manokana amin`ny manaraka toy ny asa tanamaro, hoy hatrany ny fanazavana.  

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT