Sosialy

Fikambanana HAFARI Malagasy Nijery ifotony ny asa fampandrosoana teny Soaniedanana


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa fizarana ny tany ho an’ireo mpikambana ao aminy teny Soaniedanana, omaly alahady ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

 

 

 

Ny mba hahafahan’ny mponina mipetraka ara-dalàna ary miroso tanteraka amin’ny asa fihariana no tena tanjony amin’izany taorian’ny famelabelaran-kevitra niarahany tamin’ny fiadidian’ny Repoblika. Raha tsiahivina, nanambara ny talen’ny miandraikitra ny fitarainana teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika fa tsy misy antony tsy tokony hanampian’ny fitondram-panjakana ny tetikasa toy ny famoronana tanàna vaovao sahanin’ny Hafari tahaka izao. Roso tanteraka ny fikambanana izay efa nanofana ireo mpikambana sahady mba ho vonona amin’izany. Anisan’ireny ny fambolen-kazo, ny fiompiana bitro sy akoho gasy ary ny fambolena vary an-tanety. Raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina dia ny hahafahan’ny mpikambana mahazo vola amin’ny alalan’ny asa fihariana hotanterahiny amin’izay izao no tena imasoan’ny fikambanana mba hahafahan’ny rehetra mivelatra sy miady amin’ny fahantrana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT