Sosialy

Fikambanana HAFARI Malagasy Nahazo tany 100 ha vaovao indray …


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Miroso hatrany ilay tetikasa fifindra-monina karakarain’ny fikambanana Hafari Malagasy eny Soaniedanana PK 67, lalam-pirenena fahefatra.

 

 

 Nahazo tany vaovao mirefy 100 ha eny an-toerana  indray izy ireo hanitarana ny tetikasa.  Misy dobo  azo hiompiana trondro io tany vaovao io, azo hitsangantsanganana ihany koa sady azo hananganana kianja filalaovam-baolina, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny fikambanana. Mba hahatonga ilay tanàna sy ireo mponina eny an-toerana  hahomby dia tsy manao antsirambina ny lafiny ara-panahy izy ireo. Notokanana teny an-toerana ny alahady lasa teo ny hazo fijaliana iray lehibe izay tazan’ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahefatra rehetra. Eny an-tendrombohitra no napetraka io hazo fijaliana io ho azon’ireo mpanao vavaka an-tendrombohitra rehetra hampiasaina. Hotanterahina isaky ny alahady any an-toerana ihany koa ny hira fiderana miaraka amina groupe evangelique sy ny mpihiragasy mivoy ny lafiny ara-pinoana ho fampaherezana ny mponina. Nofaranana tamin’ny ady baolina kitra goavana ny lanonana izay nahazoana loka hatramin’ny 1 tapitrisa Ar. Ireo ekipa avy ao amin’ny kaominina Ampanotokana no nandrombaka ny amboara tamin’izany.  Nitana ny laharana faharoa kosa ny kaominina Fihaonana. Tany amin’ny laharana fahatelo ny ekipa avy ao amin’ny kaominina Ankazobe. Hanomboka tsy ho ela ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny fetin’ny Noely. Ao koa ny fifaninanana vakodrazana izay azon’ireo mponina any amin’ny RN4 rehetra andraisana anjara.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT