Sosialy

FIKAMBANANA HAFARI, ASTAFIM, ASCOM Mijoro hanatsara ny sosialim-bahoaka


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

Vonona ny hijoro hanatsara ny sosialim-bahoaka ny fikambanana HAFARI Malagasy sy ny Astafim ary ny Ascom. Nanambatra ny heriny nivondrona ao anatin’ny fikambanana FJN ( Fond des Jeunes National Madagascar)

 

 

 

 

 izy ireo omaly ka anisan’ny tanjony ny hanome asa ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana azy ireny,  ny hanatsara ny lafiny ara-pahasalamana, ny hamerina ny lafiny fandriampahalemana  ary ny fanomezana tany sy trano ho an’ny isan-tokantrano. Toerana efatra raha kely no efa hanatanterahan’izy ireo ny tetikasa ankehitriny dia ny eny Soaniedanana Pk 67, Ankazobe,  Miarinarivo ary Behenjy. Tsy adinon’ireo mpikambana ny naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Mangataka ny fahasahian’ny kandida  roa izy ireo rahampitso alahady alina  ao anatin’ilay adihevitra karakarain’ny TVM  mba ho sahy hiteny ny amin’ny fahavononan’izy ireo hiara-kiasa sy hanekeny ny voka-pifidianana aorian’ny datin’ny 19 desambra ho avy izao. Toraka izany koa ny fampitsaharana ny fifandranitana sy ny fifampihantsiana satria iray ihany ny Malagasy, hoy izy ireo ka tsy tokony hifandrafy ary firenena iray ihany no hasoavina.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT