Sosialy

Fikambanana Fitiavana ny Taninjanako « Mila ampitomboina ny tany hovolena »


  • Talata 28 Febroary 2023

Fikambanana efa mahenika ny Nosy ary mijoro ara-panjakana ny FTM na ny fikambanana Fitiavana ny taninjanako eto Madagasikara,

tarihin’ny filoha nasionaliny Njaka Andriantsoa. Ankoatra ireo olon-tsotra mpikambana dia efa mijoro ihany koa ny tanora FTM izay manana tanjona handray anjara amin’ny fifidianana ho avy. Efa miroso amin’ny fanentanana ny olom-pirenena feno 18 taona mba hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana araka izany izy ireo. Toraka izany ny fitakiana ny fifidianana mangaraharaha mba ho tombontsoan’ny daholobe. Anisan’ny politika vaovao entin’ny fikambanana moa ny fiverenana ifotony tahaka ny hetsika efa nataon’izy ireo tamin’ny 18 Febroary teo teny Ambohitrimanjaka. Mifototra amin’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fiompiana ary vokatra misy ao an-toerana izany. Saika ahitana izany avokoa manerana ny Nosy saingy samy manana ny fombany ny tsirairay. Tena itovizan’izy ireo kosa ny fanofanana tanora mba hamokatra ara-teknika. Tanjona araka izany ny hampitomboana hatrany ny tany hovolena hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fidangan’ny vidim-bary.
Legende : Ny fampitomboana ny tany hovolena no vahaolana ho enti-miady amin'ny fahantrana ho an'ny FTM
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT