Sosialy

Fikambanana FISEMARE « Ho fantatra tsy ho ela ny fisondrotan-karama ho an’ny tsy miankina. »


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Toy ny fanaony isaky ny 4 volana dia nanome ra maimaimpoana tetsy amin’ny banky fitehirizan-dra CHU-JRA Ampefiloha indray ny avy eo anivon’ny fikambanana

 

 

FISEMARE na ny firaisamben’ny sendikan’ny mpiasa malagasy revolisionera, omaly. Ao anatin’ny 1 volan’ny fanomezan-dra rahateo moa isika izao. Fotoana ihany koa io nanaovana tatitra mikasika ny zava-nahaliana momba ny fiainan’ny fikambanana tamin’iny taona lasa iny. Anisan’ny resaka ankoatr’izay ny mikasika ny fisondrotan-karama ho an’ny mpiasa tsy miankina sy ny fifidianana solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny FISEMARE hatao amin’ity taona 2020 ity. Tsy ho ela dia ho fantatra ny isan-jato miakatra amin’ny karaman’ny mpiasa tsy miankina izay, hoy ny fanazavana, ary efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny tompon’andraikitra. Ny taona 2018 dia saika nifantoka tamin’ny famahana ny olan’ny mpiasa ny hetsiky ny FISEMARE. Manomboka amin’ny toeram-piasana ka hatrany amin’ny fanaraha-maso ny asa, raha tsy maintsy mandalo amin’izany. Ny taona 2019 kosa dia nisy mpikambana notoriana orinasa tany amin’ny fitsarana misahana ady heloka. Olona nanatanteraka asa ireo anefa. Ny iray efa nivoaka ny didy fa ny iray mbola miandry, raha ny tatitra omaly hatrany. Faritra 15 ankehitriny no rakotry ny FISEMARE ary manoloana ny lahatsoratra an-gazety iray izay hita ho nivoy fampisaraham-bazana anay dia fanamby hapetrakay ny handrakotra ny faritra 22 eto Madagasikara, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT