Nanao pao-droa Ambatovy tamin’ny nanomezany maimaimpoana ireo
hazo efa niasa (toy ny vata efa niasa, palettes…) avy ao amin’ny
Toeram-pitrandrahany ao Moramanga ho an’ny fivondronan’ny fikambanana
tantsaha FIMIAM, nanomboka ny taona 2017, satria sady manamafy ireo
tombontsoa entiny ho an’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana izy no
miantoka fitantanana mandray andraikitra ireo akora tsy ampiasainy intsony.
Manampy amin’ny fanatsarana ny faripiainan’ny mpikambana ao amin’ity
fikambanana ao Ampitambe Moramanga ity ireo hazo efa niasa ireo satria
ataon’izy ireo kitay ny hazo sasany ary manampy amin’ny fampiroboroboana ny
velontenan’izy ireo (hividianana masomboly, akora hafa…) ny vola azo amin’ny
famarotana ny ampahany hafa. Nanapa-kevitra ny FIMIAM ny hamadika ho
fanaka (seza bory, latabatra…) ny ampahany hafa amin’ireo hazo ireo, nanomboka tamin’ny volana marsa 2019, mba hanomezan-danja azy kokoa sady hampitomboana ny vola miditra amin’ny fikambanana. Niteraka famoronana asa ho an’ny tanora eny an-toerana ihany koa ity tetikasa ity ka mpandrafitra roa no miasa ho an’ny fikambanana ankehitriny. Mahabe fanantenana ny tetikasa hoy ny filohan’ny FIMIAM, Ratovonary Edmond, satria na tsy mbola nanomboka nivarotra azy ry zareo dia efa maro ireo mpanjifa namandrika entana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.